- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : famonoana mpivarotra, jiolahy roa voasambotra

Toliara : famonoana mpivarotra, jiolahy roa voasambotra

Voasambotry ny polisy sy ny fokonolona tao Betsinjaka Toliara, ny harivan’ny alarobia teo, ny roa lahy tamin’ireo jiolahy valo nirongo basy telo namono nahafaty mpianatra mpivarotra iray 38 taona, taona fahadimy amin’ny lalam-piofanana « science sociale » ao amin’ny oniversite Maninday Toliara. Notifirin’ireo jiolahy tao an-tranony teo imason’ny vady aman-janany ity mpianatra mibizina fahana amin’ny finday ity, ny alin’ny zoma 6 martsa. Lasan’ny olon-dratsy ny lelavola 6 tapitrisa ariary niampy entana sarobidy hafa. Nandritra ny fisamborana tamin’ny alarobia io dia tafaporitsaka ny lehiben’ireto jiolahy, izay atidoha mikotrika ny fanafihana rehetra. Karohina fatratra izy amin’izao ary atao hazalambo.

Eric Man

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser