Mbola mirongatra hatrany ny fidorohana zavamahadomelina ao Toliara. Rehefa mihahenjana ny fanenjehana ny rongony, dia mahita fika hafa indray ireo mpidoroka ankehitriny. Tamin’ny fanadihadiana sy karo-baovao natao no nahafantarana, fa dia ny fanafody (izay tsy hotononina anarana eto) voalaza fa fitsaboana olona adala no ampiasain’ny andian-tanora sasany dorohina amin’izao. Afangaron’izy ireo amin’ny rano na ranom-boankazo toy ny “coca-cola” ireo pilina ireo, ary sotroina avy eo. Misy amin’ireo mpidoroka no tsy mahazaka an’ity zavamahadomelina vaovao voalazan’ireo mpankafy azy fa mampatanjaka ity ka mivadi-doha lasa manary lamba sy sahisahy manao ny tsy tokony hatao. Ary tsy miverina mihitsy ny saina raha tsy andro vitsivitsy aorian’io. Raha ny nambaran’ny mpitsabo, dia manimba ny atidoha ny fidorohana zavamahadomelina. Ankoatra ny rongony raviny, dia efa mahazo vahana ihany koa ny varotra “heroine” sy “cocaine” ao an-tananàn’ny masoandro. Araka ny loharanom-baovao, dia efa fantatra ny toerana misy an’ireo mpivarotra sasany an’ity zavamahadomelina mahery vaika ity, saingy hatreto mbola tsy misy ny fandraisana andraikitra matotra.
Eric Manitrisa