Ady saritaka no niafaran’ny fangataham-bady, tany ambanivohitry ny kaominina Ankililoaka Toliara II, ny alatsinainy teo. Fahataram-potoana no fototry ny olana, hoy ny vaovao voaray avy tany an-toerana. Niteraka fimenomenonana teo amin’ny havan’ny vavy izany, satria ny asabotsy teo no tokony ho natao ny fangataham-bady, kanefa afak’omaly vao raikitra, satria mbola nanara-dia omby very lasan’ny dahalo ny fianakavian’ny lahy.
Rehefa samy varimbarin’ny toaka, dia raikitra ny taim-bava. Tsy nijanona ho fifamaliana tamin’ny roa tonta intsony izany, fa niafara tamin’ny sakoroka. Notifirin’ny dadatoan’ny lahy totohondry ny vavan’ny rain-jazavavy. Nahita izany ny havany, dia namely ihany koa. Korontana no niafarany. Olona roa naratra mafy voavely tavoahangy ary niparitaka hatramin’ny sakafo teo ambony latabatra, hoy hatrany ny vaovao voaray.
Eric Man
Toliara : Fangataham-bady niafara tamin’ny gidraka, roa naratra mafy
Articles qui pourraient vous intéresser