- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversToliara-Fasimainty : Raikitra ny sakana tamin’ny RN9 

Toliara-Fasimainty : Raikitra ny sakana tamin’ny RN9 

Taorian’ny fanimbana sy fandrobana ny fananan’ny « Base Toliara », izay mitrandraka fasimainty ao Ranobe Distrikan’i Toliara II, dia nosamborin’ny mpitandro filaminana ireo lohandohany mpanohitra an’ity fitrandrahana ity. Teo anatrehan’izany, tsy faly ireo andian’olona mitaky ny hampijanonana tanteraka ny fitrandrahana fasimainty ataon’ny « Base Toliara » io, sady nitaky ihany koa izy ireo ny hamoahana haingana ny naman’izy ireo nosamborina, ka nitokona indray ireto andian’olona mitaky ireto, ny asabotsy teo, ary nanao sakana tamin’ny RN9, tao Benetse sy tao Ankilimalinika. Vokatr’io sakana io, dia tapaka nandritra ny fotoana vitsy ny fifamoivoizana ka tsy nisy afaka nivezivezy ny mpampiasa làlana rehetra tamin’ity lalam-pirenena ity. Nambaran’ny avy ao amin’ny Foko Masikoro, fa tsy hifampiresaka intsony ny vahoaka, fa mitaky avy hatrany ny hampitsaharana ny asa ataon’ ny « Base Toliara », satria marary ny vahoakan’i Toliara ka mahaiza mihaino ny olana ifotony ianareo mpitondra fanjakana manana andraikitra, hoy hatrany ny fanambaran’ireo solontenan’ny mponina ; izay tsy mankasitraka ny tetikasa any an-toerana.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici