Fatin-jaza menavava iray tokony ho roa volana eo ho eo no hitan’ireo mpitsindroka fako vao maraina, afak’omaly tany Toliara. Raha ny fantatra dia nisy nanary vao maraim-be teo amin’io toerana io ity fatin-jaza hatsatra hita izay natao tao anaty harona plastika nofonosina lamba ny razana. Tsy fantatra kosa hatreto, araka ny vaovao voaray, na maty novoinona ity zaza ity na noho ny aretina. Raha ny fahasahiranana misy ankehitriny dia maro amin’ireo reny miteraka tsy manambady, fa azo tamin’ny vohoka tsy nirina noho ny rendrarendra na antony hafa ireo zaza, no mamono ny menaky ny ainy, fa tsy mahavelona ny zanany intsony, hoy ny loharanom-baovao. Kere ty ndaty, ka very ny fanahy maha olona sy ny soatoavina Malagasy mandala ny aina.
Eric Manitrisa