Itarafana ny tsy fandraisan’ny vahoaka anjara amin’ny fiainam-pirenena. 10 andro ankatoky ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona sy ny faha-57 taonan’ny tafika malagasy, mbola vitsy ireo tokantrano eto Toliara renivohitra sy ny manodidina no manangan-tsaina. Teo aloha, raha vao migadona ny volana jona isan-taona dia manomboka hita mikopakopaka eny amin’ny tokantrano maro ny sainam-pirenena. Tsy izany intsony anefa no hita ankehitriny, fa toa tsy dia mahaliana loatra ny ankamaroan’ny mponina ny fanomezan-danja ny fahatsiarovana ny fiverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara amin’ny alàlan’ny fananganan-tsaina. Raha ny fanadihadiana natao dia antony maro no mahatonga ny ankamaroan’ny olona tsy marisika manangan-tsaina intsony amin’izao ho an’ny fanomezan-danja ny 26 jona, indrindra tato anatin’ny efa-taona farany nifanesy. Eo ny fahasahiranana misy sy ny tsy fananam-bola noho ny fahantrana lalim-paka tsy ahafahana mividy saim-pirenena fa ny arapaka androany no laharam-pahamehana ; eo koa ny tsy fahampian’ny fanentanana ho an’ny olom-pirenena mahakasika ny fananganana ny sainam-pirenena sy ny maha zava-dehibe an’izany amin’izao fetim-pirenena izao, sns. Etsy andaniny, ratsy ihany koa ny tsenan’ny harendrina vita Gasy, hoy ireo mpivarotra, ary zara raha misy mividy, fa ny vita sinoa no ifandrombahan’olona ! Torak’izany ihany koa ny kilalao samihafa amin’izao iray volan’ny ankizy izao. Na dia eo aza ny fandraràna amin’ny fivarotana tsipoapoaka eny an-tsena, mba hisorohana ny firongatry ny asan-jiolahy amin’izao asaramanitra izao, dia mbola maro ireo mivarotra izany, ary tsy ifandrenesana ny fipoapoaky ny “pétards” toy poa-basy manaitra eny rehetra eny.
Eric Manitrisa