- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Fianakaviana nesorina amboletra tamin’ny tranony

Toliara : Fianakaviana nesorina amboletra tamin’ny tranony

Ireo fianakaviana nesorina amboletra tamin’ny trano sy taniny, lasa matory tsy fidiny amoron-dàlana, miaraka amin’ny sisan’entana tsy simba natsipitsipy teny an-tokotany. (Sary: Eric Manitrisa)
Ireo fianakaviana nesorina amboletra tamin’ny trano sy taniny, lasa matory tsy fidiny amoron-dàlana, miaraka amin’ny sisan’entana tsy simba natsipitsipy teny an-tokotany. (Sary: Eric Manitrisa)

Mahery ny vola ! Kivy tanteraka Rtoa Razananivo Jeannette sy ny fianakaviany, monina ao Ankatsaka Sanfily Toliara; izay nesorina amboletra tamin’ny tranony sy ny taniny nonenany efa ho 50 taona, ny maraim-ben’ny alatsinainy teo. “ Nahoana ny olona tsy manana titra na bokin-tany amin’ny fananany ny tany no manana fahamarinana eny amin’ny fitsarana handroaka olona efa nipetraka nandritra ny 50 taona tamin’ny taniny. Noho ity raharaha ity mamofona kolikoly, satria tsy mahazo rariny foana izahay eny amin’ny fitsarana, dia nametraka fitoriana teny amin’ny Bianco ”, Rtoa Jeannette, latsa-dranomaso, nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly. Lasa matory tsy fidiny amoron-dàlana ireto fianakaviana miaraka amin’ny entana sisa tsy potika tamin’ireo natsipitsipy teny an-tokotany, nandritra ny fandroahan’ny vadintany niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana nirongo basy nanatanteraka ny didy.

Tany lova. Ady tany, nanomboka ny taona 2014 no fototry ny olana teo amina fianakaviana roa, satria namidiny dadatoany 15 tapitrisa tamina karana iray ny tany lovan-dRtoa Jeannette tamin’ny rainy efa maty. Niakatra fitsarana ny raharaha, ny 28 mey teo. Nandresy ny dadatoany; izay tsy manana taratasy mazava momba ny tany, ny 8 jona teo. Tonga nanery ny tompon-trano hiala ao anatin’ny 24 ora ny vadintany, ny harivan’ny 30 jolay, nefa ny alalatsinainy teo vao tanteraka izany, na dia nanao fanohanana (opposition) teny amin’ny fitsarana aza ny tompon’ny tany, ny 15 jona lasa teo.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici