- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Fiangonana vaky, lasan’ny jiolahy ny vola sy ny entana

Toliara : Fiangonana vaky, lasan’ny jiolahy ny vola sy ny entana

Fiangonana iray ao Toliara (tsy tononina anarana sy toerana eto noho ny fangatahan’ny mpitantana ao) no nisy namaky, ny zoma alina hifoha  asabotsy naraina teo. Voaroban’ny jiolahy tamin’izany ny entana maromaro sarobidy tao amin’ity toeram-pivavahana ity, toy ny : fitaovana fanamafisam-peo, niampy vola tao anaty vata sarihana (tsy voafaritra mazava aloha hatreto hoe : ohatrinona ?), hoy loharanom-baovao. Tsy vao sambany no nahenoana toeram-pivavahana nisy namaky tao Toliara, saingy efa lefy laza izany ka izao niverina izao indray. Tsy an-tsaha, tsy an-tanàn-dehibe mandravarava ny dahalo sy jiolahy mitam-basy. Hatramin’ny tranon’ Andriamanitra misy sahy mamaky ! Mila mailo hatrany ny olom-pirenena mahakasika ny firongatry ny asan-jiolahy mamaivay amin’izao. Na efa miezaka aza ireo mpitandro filaminana amin’ny fanenjehana ireo olon-dratsy mpampahory vahoaka, dia ilaina hatrany ny fiaraha-mientan’ny rehetra mba hahafahana misambotra ireo fanetriben’ny firenena.
Eric Man

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser