Hatramin’ny nahavitana tara ny RN9, dia nisesisesy tato ho ato ny trangana lozam-pifamoivoizana nahafatesan’olona tsy manan-tsiny any amin’ny Distrikan’i Toliara II, satria maro amin’ireo mpamily fiara no alaim-panahy mandeha mafy noho ny hatsaran’ny lalana. Afak’omaly, fiara 4×4 iray miloko mena, voalaza fa nandeha mafy no nifatratra tany an-tranon’olona, izay tranovato iray amoron-dalana, tao Beravy, Kaominina ambanivohitra Belalanda, 21 km avaratry ny tanànan’i Toliara raha hiazo ny Distrikan’i Morombe iny. Vokany : vehivavy iray bevohoka no voadona mafy, ka maty tsy tra-drano. Vokatry izay dona mafy izay hatrany, dia potika tanteraka ny lohan’ilay fiara havia manandrify ny mpamily. Raha ny vaovao voaray, naratra mafy ihany koa ny mpamilin’ity fiara tsy mataho-dalana, ka noentina notsaboina tao amin’ny hopitaliben’i Toliara, nefa tsy tana ny ainy na dia nialan’ny mpitsabo nenina mafy.
Eric Manitrisa