- Publicité -
mercredi, septembre 24, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Fihapoizinan’ny sakafo, olona telo maty nihinana "sardine" lany daty

Toliara : Fihapoizinan’ny sakafo, olona telo maty nihinana « sardine » lany daty

Olona telo no fantatra hatramin’izao fa namoy ny ainy, noho ny fihinanana « sardine » ambifotsy efa lany daty tao Toliara. Raha ny vaovao voaray, dia maty tamin’ny alarobia 30 septambra ny roa, raha omaly naraina kosa ny lehilahy fanintelony. Raha ny angom-baovao dia niara-nisotro toaka izy telolahy ireto ka nanao tsaky « sardine ». Tsy nahatsiaro tena avy hatrany ny iray vokatry ny poizina ara-tsakafo. Rehefa nialana nenina notsaboana teny amin’ny hopitaly izy telolahy ireto, dia samy tapitra ny ainy. Efa notaterina natetika teo amin’ny gazety ny fiparitahan’ny entana lany daty ;  poizina ho an’ny fahasalamam-bahoaka.Tokony handray fepetra henjana sy hentitra amin’izay ny tompon’andraikitra, mba hisorohana ny fihapoizinan’ny  sakafo faobe mitarika fahafatesan’olona toy izao.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici