- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Fihinanana trondro « Geba » misy poizina, olona roa tsy...

Toliara : Fihinanana trondro « Geba » misy poizina, olona roa tsy maintsy naiditra hopitaly

Olona roa avy amina fianakaviana samihafa izay nihinana trondron-dranomasina misy poizina “Geba” no tsy maintsy nampidirina hopitaly tao Toliara, ny zoma teo, ka ny iray ankizy, raha olona tsy mahafantatra ity trondro ity kosa ny marary faharoa. Rehefa nandoa sy nivalana tsy nisy fiarafarany ireto olona roa izay efa nalemilemy zara raha nahazaka tena, dia nentin’ny havany haingana namonjy tobim-pahasalamana mba hanavotana ny ain’izy ireo. Rehefa nandre ny tranga ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny sampan-draharaham-paritry ny jono sy ny fahasalamana ao Toliara, ny andro zoma io ihany, dia nanao fidinana ifotony ary raikitra savahao eran’ny tanàna, ka trondro “Geba” izay voararan’ny lalàna efa nomanina saika aondrana any Sakaraha sy Ilakaka izay nafatratra tao anaty garaba roa lehibe no sarona. Sazy henjana ho an’ izay tratra. Raha ny fanazavana azo, rehefa vanim-potoana mafana tahaka izao, dia mamelana ireo lomotra misy poizina (algue toxique) any an-dranomasina, ka hohanin’ny karazana trondro toy ny Geba, ny Pepy, sy ny Lohambato, ary mamono ireo olona mihinana ireo trondro avy eo, hoy ny mpitsabo, ary tapahana tsy azo hohanina kosa ny lohan’ny trondro Aloalo, Lanora, Lamatra, ary ny Tsaboto.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici