Olona an-jatony no nitokona nanao « sit-in » nilanja sora-baventy am-pilaminana omaly, nanoloana ny lapan’ny fitsarana Toliara, andian’olona tsy mankasitraka ny didy navoakan’ny fitsarana amin’ny fisamborana ny havan’izy ireo nosoketahina ho nandrahona ho faty olona sy nanidy fiangonana ary fivadiham-pitokisana. « Niakatra fitsarana ny 13 mey teo ny raharaha. Ny nahagaga anay anefa, iray volana aty aoriana (16 jona) vao nanao fanohanana (opposition) ny mpitory, raha tokony ho ao anatin’ny 48 ora. Ny ao amin’ny fitsarana mahay lalàna indray no manitsakitsaka ny lalàna ka izany no anaovanay sit-in eto androany, antsoavo amin’ny fitsarana hampijanona ny didy sadasada hialana amin’ny korontana », hoy Atoa Libaza Stanislas, iray amin’ireo mpiara-mitantana ao amin’ny « Chambre de commerce et Industrie » Toliara, voatory, nitafa tamin’ny mpanao gazety.
Fanosoram-potaka. Na dia teo aza ny fifanatonana indroa niantoana teo amin’ireo tompon’andraiki-panjakana ao Toliara sy ny ray aman-dreny ara-drazana, nitadiavam-bahaolana hisian’ny fitoniana. Nisisika namoaka didy fampisamborana ihany ny tao amin’ny fitsarana, hoy Atoa Libaza Stanislas, nanohy ny fanazavany. Raha ny nambarany dia ny fifidianana izay ho filoha hitantana ny Anterimieran’ny varotra sy Indostria Toliara no fototry ny olana. Dimy volana aty aoriana, nitory ny mpitantana teo aloha, satria tsy lany, hoy Libaza Stanislas, namarana ny fanazavany.
Eric Man