- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Gadralava tratra nangalatra posy niharan’ny hatezeram-bahoaka

Toliara : Gadralava tratra nangalatra posy niharan’ny hatezeram-bahoaka

Lehilahy iray sahabo ho 35 taona eo ho eo no tratra ambodiomby nangalatra “cyclo-pousse” ny harivan’ny alahady teo tao amin’ny fokontany Tsimenatse Toliara. Niharan’ny hatezeram-bahoaka avy hatrany ity rangahy gadralava ity, ka naratra mafy noho ny vono sy daroka nihatra taminy, ary saika nanaraka hatramin’ny ain-dehibe raha tsy nisy mpitandro filaminana tonga haingana nandamina ny raharaha. Teo am-panosehana ilay posy bisikileta nivoaka ny tokotany izy no nisy nahatsikaritra. Raikitra ny hazolava ka nisahotaka ny iray tanàna nanenjika an’ ity mpangalatra. Tsy lasa lavitra akory izy dia tra-tehaka niaraka tamin’ilay fitaovam-pitaterana nangalariny. Raikitra avy hatrany ny tabataba sy fitsaram-bahoaka ka nandratra azy. Raha araka ny loharanom-baovao dia vao tamin’ny herinandro nivalona iny ity lehilahy ity no nivoaka ny fonja, noho ny halatra hatrany, nefa dia izao tratra namerin-keloka izao sahady.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici