- Publicité SW45 -
mercredi, juillet 3, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara: Halatra tao amin’ny oniversite, olona 7 naiditra am-ponja

Toliara: Halatra tao amin’ny oniversite, olona 7 naiditra am-ponja

Ny alarobia teo no nivoaka ny didy raha ny alatsinainy no natolotry ny polisy nisahana ny fanadihadiana ny fitsarana ireo olona 10 voarohirohy tamin’ny fandrobana ny fitahirizam-bola ka nahavery ny vola iray miliara tao amin’ny oniversiten’i Toliara, ny alin’ny 23 oktobra lasa teo. Olona fito no naiditra am-ponja vonjimaika ka mpiasan’ny oniversite ny efatra, anisan’izany ilay ramatoabe mpizara sy mpitahiry vola sy ilay mpiambina. Ireo telo ambiny kosa nahazo fahafahana vonjimaika, ka anisan’izany ilay tovolahy avy any Ambovombe Androy. Nomarihan’ny loharanom-baovaon’ny mpitandro filaminana fa mpiasa ao ihany, izay rahalahina minisitra teo aloha, no atidoha nikotrika ity halatra avolenta ity. Efa any am-ponja izy amin’izao, manampy isa ireo mpihinana mangahazo maina sy mandray ny valin’asa ratsiny. Ho hita eo ihany ny fivoaran’ity raharaha mahasarika mpanara-baovao maro ity.

 

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser