- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Halatra vola ar 4 tapitrisa sy zezika 810 gony,...

Toliara : Halatra vola ar 4 tapitrisa sy zezika 810 gony, olona iray any am-ponja

Lehilahy iray antsoina hoe Manovo, mpiasan’ny orinasa Guanomad, monina ao Ambohimahavelona Toliara II, no naiditra am-ponja vonjy maika omaly tany Toliara rehefa avy nandalo fitsarana. Raha karohina fatratra kosa amin’izao ny namany 13 niara-nanafika sy nangalatra taminy, ny volana novambra teo. Voarohirohy ho nangalatra « tain-kina » na Guano (tain-dramanavy) azo atao zezi-pambolena 810 gony an’ny orinasa Mima Sarl tao amin’ny lavabaton’ny tanànan’i Ankikiky, kaominina Andranoninaly, distrikan’i Toliara II, i Manovo sy ireo mpikaraman’adiny 13, ny 5, ny 11 ary ny 16 novambra lasa teo. Nitatitra izany an-tsokotsoko tamin’ny kamio tany Toliara navadika sifra ry zalahy.
Tsy vitan’izany, fa mbola nanafika ireo mpiasan’ity orinasa ity ihany koa i Manovo sy ny ekipany; izay nirongo basy sy sabatra, ny 26 novambra lasa teo. Very tamin’izany, ny vola 4 tapitrisa ariary sy fitaovana samihafa. Manoloana izany, dia mihorohoro noho ny asa ratsy ataon’ireto olona mitonona ho mpiasan’ny Guanomad mirongo basy mangalatra sy mandrahona ireto, ny mponina sy mpiasan’ny orinasa Mima Sarl ao amin’ny fokontany Ampamata. Mbola nanamafy izany tamin’ny mpanao gazety ny filohan’ny fokontany, Atoa Lahavelo.
Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser