- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversToliara : Hatramin’ny mpianatry ny EPP mivaro-tena

Toliara : Hatramin’ny mpianatry ny EPP mivaro-tena

Vokatry ny fahasahiranana, eo ihany koa ny ankizy te-hanala azy fotsiny noho ny fitiavan-dredraredra sy lamaody, 12 taona na latsaka kelin’izany dia efa miroso amin’ny fivarotan-tena ny ankizivavy ao Toliara. Misy amin’izy ireny mbola mpianatra eny amin’ny EPP, ary fantatry ny ray aman-dreny ny zava-misy, nefa tsy mivaky loha ireto farany, satria mitondra vola mody ny zanany vavy. Araka ny fanadihadiana natao sy vaovao marim-pototra voaray tamin’ireo tompon’andraikitry ny filaminana sy eny anivon’ny fokontany, dia misy amin’ireo ankizivavy tsy ampy taona mpampanofa tena ireto nosamborina, nefa dia ny ray aman-dreniny mihitsy ny tonga maka azy any.

Ho an’ireo mpianatra dia ny faran’ny herinandro sy andro tsy fianarana izy ireo no mivaro-tena, ka misy mitondra vola mody 15 000 ariary isak’alina. Tafakatra roa alina izany amin’ny faran’ny volana na andro fety. Tamin’ny fanadihadiana ihany no nahafantarana, fa manodidina ny 5 000 ariary no miaraka amin’ny olona iray, arakaraka ny fijoron’ny entana io. Ny ambony sy ambanin’izany tsy ferana. Eo amin’ny « Magro Bazaribe » dia misioka fotsiny dia tonga ny makopita. 2 000 ariary ny « pass » ho an’ny koaitra efa zokinjokiny. Ny lehilahy mamomamo tsy mivaky loha no tena mpanjifa eo.

Elakelan-trano. Ho an’i Stella, iray tamin’ireo ankizivavy nanontaniana, dia nilaza izy, fa fantatry ny reniny ny asa nataony. Tsy misy bedy rehefa mitondra vola an-trano. Ho an’i Stella manonkana dia ratsy ny tsenany ny volana febroary lasa teo, satria be rotsak’orana. Ny 80%n’ireo nohadihadiana dia samy nilaza fa vita amin’ny takona sy maizimaizina eny rehetra eny ny firaisana ara-nofo tsy voaaro (tsy mampiasa fy mailo), fa rehefa mifanaraka fotsiny, na amoron-dalana io, na elakelan-trano,  dia manainga zipo maka vody rindrina na ny tamboho na mampidina pataloa fotsiny dia miray an-kalamanjana tsy tahotra tsy henatra.

Ny ao amin’ny « Jardin de la mer » tsy antoandro, tsy alina dia ahitana tanora manao fihetsika mamohetra tsy faseho masoandro foana. Ny ala Honko eny amoron-driaka lasa toerana fanaovana firaisana ara-nofo. Raha tsy ho voasakana intsony izao firongatry ny fivarotantena tahaka izao dia tokony hatao mafy sy hasiana manerana ny tanàna ny fanentanana mba hahay hiaro tena amin’ny otrik’aretina VIH Sida sy ny aretina azo avy amin’ny firaisana ny zatovovavy manao ity asa mampanofa tena ity.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser