Hentitra ny kaomisera Rufin nilaza fa hofoanana ireo mpanera taksiborosy amin’ny zotra nasionaly ao amin’ny tobim-piantsonan’ny taksibory, zotra nasionaly ao Sanfily Toliara, mba hisian’ny fahalemana sy fitonian-tsaina ho an’ireo mpandeha. Matetika dia ireo mpanera no manome vaovao ny jiolahy mpanakan-dalana amin’ny olona mitondra volabe sy entana saro-bidy, ka mampirongatra ny asa ratsin’ny dahalo amin’ny lalam-pirenena, indrindra amin’ny RN 7. Tapaka nandritra ny fivoriana niarahan’ny kaoperativa 23 sy ny tompon’andraiki-panjakana ao Toliara. Ferana ho enina isaky ny kaoperativa ny mpiasa misahana ny fandraisana ny mpandeha sy ny entany, mba hisorohana ny fioharam-pefy sy ny fisolokiana.
Beloha, samborina.
Izay minia mikipy miseho beloha mandika izany dia hosamborin’ny mpitandro filaminana ary hatolotra ny fitsarana. Misy ihany koa ny vina ny hamindrana ny tobim-piantsonana ao Andabizy, satria sady tery no afovoan-tanàna miteraka fitohanana eo amin’ny fifamoivoizana ny ao Sanfily. Mbola miketrika ny ao amin’ny fiadidiana ny tanàna, ka ho hita eo ihany ny tohiny. Maso mahita. Tato ho ato tokoa mantsy dia nirongatra ny sinto-mahery sy halatra miharo fanendahana ao amin’ny « stationnement » Sanfily, ka isan’andro tsy maintsy misy mpandeha mitaraina foana.
Manitrisa