- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversToliara II : Ankizivavy 11 taona naolana lahiantitra mpanambola, simba tanteraka mipipy...

Toliara II : Ankizivavy 11 taona naolana lahiantitra mpanambola, simba tanteraka mipipy rà

Zazavavy sahabo 11 taona eo no voalaza fa simba tanteraka naolana lehilahy lehibe iray manodidina ny 50 taona, ny harivan’ny alahady teo, tany amin’ny Fokontany Befoly, Kaominina ambanivohitry Andranohinaly, Distrikan’i Toliara II. Araka ny fanazavana azo, rehefa avy nantsaka ranon’ ingahibe ity « ajampela » nokaramainy 1.500 Ariary ity no nanaovan’ity lahiantitra efa manan-jafy ity ny filan-dratsy mamoahany tao an-tranony. Afak’omaly anefa vao vaky am-batolampy ny raharaha, rehefa nandamaka tsy afa-nihetsika teo am-pandriana intsony ity voatavo tsy mifandraka izay mipipy rà taorinan’ny fanolanana nihatra taminy. Rehefa nofotoran’ny reniny mafy izy, dia nivaky ihany ary nitantara ny marina rehetra sy ny zava-nihatra taminy.

Rehefa natonin’ny fianakavian-drazazavavy, dia tsy nanda ny heloka niampangana azy ingahibe, ary nanolotra vola iray hetsy Ariary sy osy vositra roa mba ho ala fady fiaiken-keloka, kanefa tsy nanaiky izany raharaham-pihavanana izany ny ray aman-drenin’ilay zaza niharan’ny herisetra ara-nofo, ary nilaza izy ireo fa hampiakatra ny raharaha eny amin’ny fitsarana. Ankehitriny anefa dia mirehareha fatratra sady mandrahona ny fianakaviana ity lahiantitra mpanolana ity, fa tsy mahagadra azy izany hono ireto fianakaviana mahantra izay mpaka kitay an’ala sy mpanao saribao, hoy hatrany ny nambaran’ny renin’ilay zaza voaolana latsa-dranomaso, nitatitra ny vaovao tamin’ny mpanao gazety.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

5 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici