Tovovavy kely vao 14 taona monja niteraka kambana mianadahy no nindaosin’ny fahafatesana teo am-piterahana, ny alarobia lasa teo, tany amin’ny kaominina Ankililoaka Toliara II. Noho ny fahaverezan-drà be loatra no nahafaty an’ity zazavavy ity izay nampiterahan’ny renin-jaza. Efa safotra tsy nahatsiaro tena izy no noezahin’ny havany haingana nentina tamin’ny sarety hamonjy tobim-pahasalamana, izay 17km teo ho eo miala ny tanànany, nefa teny an-dalana dia tapitra ny ainy. Avotra kosa ny zanany lahikely iray, izay mbola manaraka fitsaboana sy fanaraha-maso manonkana amin’izao, hoy ny vaovao voaray. Noho ny fomban-tany any amin’ny faritra Atsimon’ny nosy iny dia manambady na ampanambadiana aloha ny “anjampela” tokony mbola ho any an-tsekoly, izay mbola tsy vory na harifomba ny taova rehetra amin’ny maha vehivavy azy, nefa efa reny sahady. Vokatr’izany, mirongatra ny vohoka tsy irina sy aretina azo amin’ny firaisana ara-nofo tsy voaaro, ka tsy vitsy ny maty eo am-piterahana, ary mitombo isa ihany koa ny tahan’ireo ankizivavy manala zaza, raha ny angom-baovao.
Eric Manitrisa