Nitrangana fanafihan-dahalo nitam-basy indray tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Andranovory, Distrikan’i Toliara II, ka lasibatra tamin’izany ny Ben’ny tanànan’ Andranovory. Raha ny vaovao voaray, rehefa avy namaky ny varavaram-be tamin’ny alalan’ny fitaovana manokana « pince coupante » ny 40 lahy nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika, tokony ho tamin’ny iray ora maraina, dia niditra an-keriny tao an-trano fonenan’ity Ben’ny tanàna ity. Raha vao nahita an’ ireo dahalo nitam-piadiana ity olom-boafidy ity, dia nitsoaka nandositra nanavotr’aina, ka ramatoa vadiny no tratran’ ireo malaso tao, ary novonoin’ireo dahalo ka naratra mafy voatifitra teo amin’ny lohany. Ny nahagaga sy nanaitra ny maro tamin’ity fanafihana indray mitoraka ity, dia tsy naka na dia entana iray tao an-trano ireo olon-dratsy, fa nopotehan’izy ireo avokoa ny fanaka lafo vidy rehetra tao amin’ity tokantrano ity.
Eric Manitrisa