- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversToliara II : Dahalo roa voasambotra, nanohitra, saika matin’ny olona

Toliara II : Dahalo roa voasambotra, nanohitra, saika matin’ny olona

Mihetsika ny fokonolona any amin’ny kaominina Ankililoaka, distrikan’i Toliara II, fa tsy niandry ny « opération coup d’arrêt ». Afak’omaly dia dahalo roa nalaza ratsy tamin’ny vono olona sy halatra omby tany amin’ny fokontany Andranolava no voasambotry ny andrimasom-pokonolona. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana dia omby efa an-jatony mahery no lasan’ireo andian-dahalo tanora. Tsy vitan’ny mandroba fananana ireo malaso fa mamono sy manolana. Tamin’ny fanafihana nataon’ireo olon-dratsy dia nisy hatrany tompon’omby maty namoy ny ainy.
Tafaporitsaka ny namany. Noho izany, leom-boan’anana amin’ny asa ratsy sy ny fihetsik’ireo dahalo ny mponina ka nandray andraikitra. Nanohitra ireo malaso nandritra ny fisamborana azy ireo, nefa tsy nikoso-maso ny Jamà. Tafaporitsaka taorian’ny fifandonana nisy ny naman’izy roalahy voasambotra ireto, hoy hatrany ny vaovao voaray. Hatolotra ny fitsarana tsy ho ela ireto dahalo gaigilahy tratra ireto aorian’ny famotorana ataon’ny zandary.
Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser