- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversToliara II : Fasana maro indray vaky 

Toliara II : Fasana maro indray vaky 

Nanomboka ny fiandohan’ity taona ity no mankaty, dia nirongatra izay tsy izy ny vaky fasana sy halatra taolam-paty any amin’ny distrikan’i Toliara I-II. Omaly, fasana maromaro indray no niara-vaky tamin’ny toeram-pandevenana tao Haviro Toliara, ka naparitak’ireo tsy mataho-tody teny rehetra teny ny taolambalon’ny razana tsy nentin’izy ireo. Raha ny vaovao voaray, dia fianakaviana handevina vao maraina ny havan’ny nodimandry no nahita ny zava-nisy, ka niantso haingana ny tompom-pasana nampahafantatra ny zava-misy. Manoloana ny vaky fasana tsy misy fahataperana, ary mba hampihenana izany, dia tapa-kevitra ny sasany amin’ ireo fianakaviana manodidina ny iray alina mandevina ao Haviro, fa hanao tsipaipaika ara-bola hanakaramana mpiabina, ary hasiana jiro mandeha amin’ny « panneau solaire » ny sisin-tany fandevenana. Raha ny vaovao voaray, dia nisy karapanondron-dehilahy iray tamin’ireo namaky fasana tao Ankiriho Belalanda no latsaka teny am-pasana, ny 8 mey lasa teo. Hatramin’izao anefa ity lehilahy voalaza fa mpamaky fasana avy ao Maromiandra ity, dia tsy misy sahy misambotra, nefa hitan’olona foana isan’andro miriaria miaraka amin’ny moto-ny.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici