Ny 30% amin’ny vehivavy eto amintsika, dia mbola iharan’ny herisetra. Raim-pianakaviana iray manodidina ny 40 taona eo, no maty voatsindrona antsy novonoim-badiny, afak’omaly alina, tany Ankilimalinike Toliara II. Tsy fantatra mazava ny loharanon’ady teo amin’ireto mpivady tamin’io fotoana io, fa rehefa tonga tao an-trano rangahy izay mamo, tokony ho tany amin’ny 8 ora sy sasany tany ho any, ny alin’ny alarobia teo, dia nanakorontana sy nidaroka ny vady aman-janany, ka nivoa-drà voavely fanoto teo amin’ny ilan-tarehiny havia ramatoa. Nitsoaka nandositra tany an-dakozia ity renim-pianakaviana naratra ity, kanefa mbola narahim-badiny sady novonoiny hatrany. Niezaka niaro tena ramatoa, ka izay azon’ny tànany no namelezany am-badiny, ary nitsatoka teo amin’ny tenda kelin-drangahy ny antsy maranitra. Niboba ny rà ary nitolefika rangahy, ka nentina novonjena haingana namonjy tobim-pahasalamana, kanefa teny an-dàlana dia tapitra ny ainy noho ny fahaverezan-drà be loatra. Nomarihan’ny tati-baovao voaray, fa isaky ny misotro toaka ity lehilahy namoy ny ainy ity, dia manakorontana fiarahamonina sy ireo vady aman-janany hatrany no mba fahafinaretany.
Eric Manitrisa