- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversToliara II : Lehilahy maty voatsipaky ny omby nanandrify ny filahiany

Toliara II : Lehilahy maty voatsipaky ny omby nanandrify ny filahiany

Tranga tsy dia fahita firy no niseho tany amin’ny distrikan’i Toliara II, ny asabotsy maraina teo. Raim-pianakaviana iray sahabo ho 45 taona no maty hitan’ny havany vao naraina nitsitra tsy nisy aina intsony, tao anaty valan’ombiny, tany amin’ny kaominina ambanivohitry Tsianisiha. Raha ny fantatra, dia namoy ny ainy tsy nialan’ny fianakaviany nenina voatsipaky ny omby tao am-bala nanandrify ny filahiany ity rangahy ity. Nanaporofo an’izany, araka ny vaovao voaray, ny nahitana dian-tongotr’omby sy faritra nivonto be teo amin’ny maha lehilahy azy nandritra ny fizahana ny razana. Raha ny fanazavana azo, araka ny vaovao voaray hatrany, dia fanaon’ity lehilahy ity ny misafo ny ombiny maraim-be sao misy mamaky ny vala, kanefa patsa iray tsy omby vava no nihatra taminy afak’omaly io.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici