Misy ny aretina hafahafa toa tazomoka mahery, antsoin’ny mponina amin’iny tapany avaratr’i Toliara iny hoe : « Bakabaka » mandripaka olona tao anatiny andro maromaro. Raha kely indrindra, hoy ny vaovao voaray, dia ankizy 11 latsaky ny valo taona isanandro no maty. Tafakatra 240 ny zaza namoy ny ainy any amin’ny kaominina Milenake, distrikan’i Toliara II. Fokontany telo ao amin’ity kaominina ambanivohitra ity no tena lasibatr’ity aretina ity, raha ny fanazavan’ny lefitry ny ben’ny tanàna. Anisan’izany ny ao amin’ny fokontany Antranolahatra : 40 no maty.
3 000 isam-bolana marary. Na dia eo aza ny firongatry ny aretina mandripaka dia tsy mamonjy tobim-pahasalamana ny ankamaroan’ny mponina noho ny tahotra an’ireo dahalo mamono eny an-dalana. Noho izany, betsaka ireo ray aman-dreny manan-janaka marary manatona ombiasy, ary asian’ity mpimasy fehin-tanana mainty ny marary ho fiarovana, satria miely ny tsaho fa « angatra » na « lolo » no mitondra sy manaparitaka ny aretina. « Reraka tsy sitrana avy any amin’ireo dadarabe ny marary vao mamonjy hopitaly. Tara ny fitsaboana ka mitombo isa ireo maty », hoy ny fanazavan’ireo mpiasan’ny fahasalamana miasa any an-toerana. Raha ny fanazavana azo hatrany dia olona maherin’ny telo arivo isam-bolana no mamonjy hopitaly ao Ankililoaka, fantatra fa tratran’ny tazomoka mahery, nanomboka ny volana febroary lasa teo no mankaty.
Eric Man