Efa ho tapa-bolana izao, niverina indray ny aretina tazomoka mamono zaza latsaky ny dimy taona any amin’ny distrikan’i Toliara II. Kaominina roa no tena voa mafy amin’izany, dia ny ao Ankililoaka sy Milenake. Raha araka ny taratasy filazana manjo voaray tao amin’ny radio tsy miankina iray any an-toerana dia ankizy 22 no maty tamina fokontany maromaro. Valo tao Ankililoaka, efatra Ankiliabo, dimy ny tany Milenaka, efatra ny tao Antranolahatse, telo tao Ankaraobato, roa avy ny tao Andranodehoke sy Antateza. Raha ny vaovao voaray hatrany dia ny telo tamin’ireo ankizy namoy ny ainy no maty teny amin’ny CSB II.
Anisan’ny mampirongatra haingana ny aretina sy mahabetsaka ny maty ny tsy fananam-bolan’ny ray aman-dreny entina mitsabo ny zanany marary. Manampy trotraka izany ihany koa ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny fanafody eny amin’ny tobim-pahasalamana. Vokatry ny teritery samihafa ataona tompon’andraiki-panjakana mba tsy hamoahana ny tena marina amin’izao tranga izao ho fantatry ny fitondram-panjakana foibe dia misendra olana ny mpanao gazety any an-toerana amin’ny fanatanterahana ny asany. Noho ny fitiavan-tseza dia ny tsy manan-tsiny hatrany no mankany ambany rangolahy.
Eric Manitrisa