- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversToliara II - “Mpamosavy” : nahatratrarana odigasy iray gony

Toliara II – “Mpamosavy” : nahatratrarana odigasy iray gony

Teo ampiandrasam-paty ny alin’ny zoma teo , nisavoritaka ny eran’ny trano, ka sanganehana ny fianakavian’ny maty, satria ramatoa iray tsy mponina eo an-tanàna sady tsy havan’ny nidonam-pahoriana no nanao fihetsika hafahafa nanaitra ny rehetra, tra-tehaka niaraka tamin’ny gony iray lehibe mamofona. Rehefa nosavain’ny fianakavian’ny nana-manjo izany dia hita fa odigasy avokoa no tao anatiny. Rehefa nanontaniana ilay ramatoa dia nilaza ho nisy naniraka. Manahy ny resaka famosaviana ny fianakavian’ny maty, satria tao anatin’ny roa taona dia nindaosin’ny fahafatesana tamin’ny fomba hafahafa avokoa ny fianakavian’izy ireo, hoy ny loharanom-baovao. Hatreto dia tsy fantatra mazava ny antony nitondran’ity ramatoa ity ireo odigasy marobe nandritra ny fiaretan-tory tamin’io fahoriana io. Adala sa mpamosavy marina ?

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser