- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversToliara II : Mpangalatra rain-dahiny tra-tehaka, noborin’olona tamin’ny antsy ny tànany

Toliara II : Mpangalatra rain-dahiny tra-tehaka, noborin’olona tamin’ny antsy ny tànany

Leom-boan’anana amin’ny asa ratsy foana ataon’ny tovolahy sahabo  ho25 taona eo, ny mponina ao Ankilimalinike Toliara II, ka raha vao voasambotra noho ny halatra akoho amam-borona ity jiolahy rain-dahiny, afak’omaly hariva, dia noborin’olona tamin’ny antsy ny tanany havanana nentina nanafay tanteraka azy, satria raha ny voalazan’ny tati-baovao voaray, dia sarona nangalatra mangahazon’ny dadatoany teny an-tsaha ity jiolahy ity, ny alahady teo. Nifona mafy izy ary nilaza fa noana, kanefa ny ampitson’io dia izao sarona indray namaky fahitra. Raha ny fantatra, dia telo lahy no niara-nandroba tamin’io andro io. Raha vao nahatazana ny andrimasom-pokonolona anefa ny roa tamin’ireo jiolahy, dia rifatra nandositra, ka mbola karohina fatratra amin’izao. Rehefa nofotorana lalina kosa ity malaso tra-tehaka, dia mafy vava tsy nety nanondro mihitsy ireo namany, na dia rapan’ny daroka sy vono aza rehefa avy nampisotroana ranona vovo-tsavony sy sakay. Tezitra sy tofoka tamin’ity mpangalatra mpamerin-keloka efa nigadra in-droa tsy mety fay (tsy malilo) ity ny olona, ka nanapaka ny tànany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici