Nitrangana lozam-pifamovoizana naharatrana olona indray tamin’ny lalam-pirenena fahasivy iny, omaly antoandro, tokony ho tamin’ny 1 ora, niala kely ny tanànan’ Ifaty. Sarety iray nitondra saribao hihazo ny tanànan’i Toliara no nodomina fiara 4×4 iray nitondra mpizahatany, ka naratra mafy vaky loha sy tapa-tanana havia ny lehilahy iray mpitarika sarety. Mafy ny fandonana ka nivadika ilay fitaovam-pitaterana entana izay simba tanteraka, ary saika maty sempotra voatsindrin’ny saribao nentiny tao ilay mpitarika azy, izay tsy afa-nihetsika intsony, raha tsy voavonjy haingana. Simba ihany koa ilay fiara nadona satria dia potika ny “pare-choc”, kanefa tsy nijanona ity 4×4 nandeha mafy ity na dia nitranga aza ny loza fa nanohy ny diany hatrany , hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa
Toliara II : Mpitondra sarety nodomin’ny fiara, vaky loha
Articles qui pourraient vous intéresser