- Publicité -
jeudi, décembre 18, 2025
AccueilFaits-DiversToliara II : Olona roa matin’ny toaka ny alatsinain’ny pentekoty, telo hafa...

Toliara II : Olona roa matin’ny toaka ny alatsinain’ny pentekoty, telo hafa dobo an-drano

Lehilahy roa no matin’ny toaka ny alatsinainy pentekoty teo, tany amin’ny Distrikan’i Toliara II, ka ny iray dia tovolahy mamo ary maty an-drano tany Anakao rehefa avy nitsangantsangana handeha hamonjy fodiana hariva niondrana an-dakana niaraka tamin’ny namany. Raim-pianakaviana iray mipetra-drery kosa no hita faty tao an-tranony, tany Analamitsampy. Tamin’ny fotoana nahitana ny razana, afak’omaly naraina, dia mbola nahenoana fofon-toaka nidofaka ny vanta mangatsiakany. Raha ny tombatombana dia mety ho maty irery tsy nisy namadika tao an-tranony na namoy ny ainy noho ny hanoanana ity lehilahy voalaza fa mamo lava ity, satria tsy nahitana dian-dratra na vono ny vantany tamin’ny fizahana natao ny razana. Fa mpitsangantsanagana miisa telo kosa no dobo an-drano navadiky ny lakana teny ampovoan-dranomasina, tany Madiorano, ny 21 mey teo, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici