- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversToliara II : Ramatoa 50 taona niteraka kambana telo

Toliara II : Ramatoa 50 taona niteraka kambana telo

Renim-pianakaviana iray manodidina ny 50 taona, monina any amin’ny kaominina Belalanda distrikan’i Toliara II, no niteraka kambana telo, afak’omaly. Zanany fahafito ireto kambana telo mirahavavy vao naterany ireo, raha ny fanazavana azo. Salama tsara ireo zaza sy ny reniny, raha ny nambaran’ny mpitsabo mandray an-tanana ny fanaraha-maso sy fitsaboana azy efa-mianaka ireto. Tato ho ato, tranga nanaitra ny maro, raha ny vaovao samihafa voaangona, dia nitombo isa ireo vehivavy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana niteraka kambana, indrindra ao amin’ny distrikan’i Toliara I sy faharoa. Raha nanontaniana kosa ny mpitsabo manam-pahaizana momba ny vohoka dia nilaza fa mbola tsy fantatra mazava aloha hatreto ny nampirongatra an’ity fiterahana kambana nahazo laka tamin’ity taona ity. Tsotra ny nambaran’ity dokotera ity, fa tranga voajanahary io, ka tsy atao mahataitra na dia eo aza ny finoan’ny tsirairay ny tranga toy izao sy fomban-drazana samihafa mbola mahazo laka.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici