Mirongatra toa tsy misy fanafany ny asan-jiolahy sy ny asan-dahalo isak’alina any amin’ny kaominina Ankililoaka, distrikan’i Toliara II amin’izao, ka miaina ao anaty horohoro tanteraka ny mponina na dia manao izay ho afany amin’ny ady amin’ireo mpanao ratsy ny mpitandro filaminana any an-toerana. Omaly dia tokantrano telo samihafa no indray voatafika. Rangahy iray no maty tsy tra-drano voatifitra. Niditra teo amin’ny lamosiny ny bala ary nivoraka hatramin’ny tsinainy mihitsy. Mpivady naratra mafy voafira famaky, lasan’ireo olon-dratsy ny vola fito alina ariary. Raha nandre ny tabataba ny raim-pianakaviana iray dia nivoaka. Tifitra variraraka no nitsena azy. Naratra mafy ity farany ka tsy maintsy nentina notsaboina tany Toliara ary mbola miady amin’ny fahafatesana amin’izao.
Manoloana ny firongatry ny asan-jiolahy ao Ankililoaka, renivohitry ny voly hasy, dia mihorohoro tanteraka ny vahoaka amin’izao, ka miraviravy tànana tsy afa-mamokatra intsony. Ny voly sy fananana kely eny an-tsaha aza misy mangalatra sy mandroba. Tamin’ity herinandro ity ihany dia omby 500 no lasan’ny malaso 28 nirongo basy, vehivavy iray nataon’ny malaso takalonaina, tao amin’ny fokontany Ankilimaro any Ankililoaka.
Manitrisa