- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara II : Telo mianaka niara-maty novonoin’ny dahalo mitam-basy tao Ambolimailaka

Toliara II : Telo mianaka niara-maty novonoin’ny dahalo mitam-basy tao Ambolimailaka

Nitrangana fanafihan-dahalo narahina vono olona indray tany amin’ny Distrikan’i Toliara II iny, ny alin’ny zoma teo tamin’ny 11 ora sy sasany. Telo lahy mianaka no indray niara-namoy ny ainy notifirin’ny malaso sy nokapain’ireo olon-dratsy ny famaky teo amin’ny hatony sy lohany, tany Ambolimailaka, kaominina ambanivohitr’i Manombo Atsimo. Raha ny fanazavana azo, araka ny tati-baovao voaray, dia nihevitra ireo andian-dahalo nitam-piadiana, fa mbola ao an-tranon’ ireto fianakaviana voatafika ny vola famangiana tamin’ny fandevenana ny vadin’ity Rangahy iray novonoina. Nanambara anefa ity farany fa tsy misy vola, ka romotry ny hatezerana ireo malaso ary nikapa famaky azy teo amin’ny hatony sy nitifitra ho faty an’ity raim-pianakaviana misaona vao maty vady ity. Nahita ny habibiana nataon’ireo dahalo tamin’ny raibeny ity zafikeliny sy ny vinantolahiny dia nitsangana, ka norarafan’ny jiolahy ny tifitra ary maty teo ho eo. Olona roa hafa naratra mafy voatifitra sy voadaroka, ka mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’i Toliara amin’izao. Rehefa tsy nahita ny vola tao an-trano ireo mpanafika dia naka sy nitondra nitsoaka izay entana rehetra tian’izy ireo. Araka ny fanarahan-dia nataon’ny Fokonolona, dia nifarana tao amin’ny Kaominina Ankilimalinika ny dian’ireo dahalo. Ireto farany izay mbola karohina fatratra atao hazalambo hatramin’izao.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici