Ankizivavy 15 taona nipetra-drery no naolana raim-pianakaviana iray 43 taona, tany Ankililoaka Distrikan’ny Toliara II, ny alin’ny talata teo. Nitsoaka ilay lehilahy nahavanon-doza, ka rehefa nokarohina dia voasambotra teo am-pisotroana toaka, tany Milenake, afak’omaly antoandro. Noho ny tahotra ny higadra sy ny hatezeram-bahoaka, dia nanao raharaham-pihavanana “kabary ambany kily” haingana ity mpanolana, izay voalaza fa mpiray tanàna amin’ity “ajampela” niharan’ny herisetra sy fanararaotana ara-nofo ihany, ka nandoa vola iray tapitrisa Ariary sy omby roa, omaly. Araka ny tati-baovao voaray, dia namonjy fahoriana tany Tsianisiha ny ray aman-dreny sy ny zokin’ity tovovavy niharan’ny herisetra, ka ity farany ihany no niambin-trano sy natory irery tao an-trano. Tokony tany amin’ny misasak’alina tany ho any, dia niditra amboletra tao amin’ny efitrantrano nandrihan’ity tovovavy ity ilay rangahy mpifanila vodirindrina aminy, rehefa avy nisokitra ny hidim-baravarana. Taitra tamin’ny torimasony razazavavy, raha teo amboniny avy hatrany ity raim-pianakaviana tonga dia nanolana azy. Tsy afaka niantso vonjy izy, satria voatampina ny vavany, ka rehefa nanohitra sy niaro tena tamin’ny fomba mamohehitra nihatra taminy ity “ajampela” ity, dia notsatohan-drangahy antsy, ary naratra mafy teo amin’ny baon-tanany havia sady mbola nopotserin’ilay mpanolana ny voamasony havanana ka nifaritra mena.
Eric Manitrisa