Nanao tohivakana tato ho ato ny vaky fasana, amin’iny Faritra Atsimo Andrefan’ny Nosy iny, ary lasibatry ny olon-dratsy hatramin’ny fasan’ireo Ampanjaka, raha araka ny tati-baovao samihafa voaray. Ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy 29 oktobra lasa teo, dia nisy namaky ny tranon-jiny Andrevola ao Benetsy any amin’ny Kaominin’ Ankilimalinike Distrika Toliara II, ka razana Ampanjaka telo no lasan’ireo jiolahy voalaza fa efa-dahy, dia ny taolambalon’ ny Ampanjaka Andrevola, ny an’ny zanany lahy ary ny zafiny. Ireo taolambalon’ ny razan’ny foko Masikoro ireo, raha ny fanazavana azo, dia samy mifono volamena sy volafotsy avokoa. Taorian’ny fitoriana nataon’ny fianakavian’ireo mpanjaka very razana, dia nidina nijery ifotony ny zava-misy tany an-toerana ny Lehiben’ny Faritra Atsimo Andrefana, ny Kolonely Rabe Jules sy ireo mpiara-miasa aminy, omaly. Nandritra ny kabary ambany kily, dia nanome baiko hentitra an’ireo mpikamban’ny Dinabe any an-toerana ny Lehiben’ny Faritra, fa tsy maintsy atao izay hahatrarana an’ireo olon-dratsy, satria manosihosy ny hasin’ny foko Masikoro sy ny vako-pirenena Malagasy izy ireo, ka tsy maintsy samborina faran’izay haingana. Nilaza kosa ireo mpiambina an’ity Zomba (fasana tranomasina manan-kasina toerana misy ireo razana) fa tsy nahita an’ireo mpandroba.
Eric Manitrisa