- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversToliara II : Vehivavy avy naolana, nafatotra sy notsentsenana ny vavany

Toliara II : Vehivavy avy naolana, nafatotra sy notsentsenana ny vavany

Vehivavy manodidina ny 30 taona, voalaza fa naolana roalahy, no hitan’ny mpandeha sarety hamonjy tsena vao maraim-be nifatotra tongotra aman-tanana nihosim-potaka tao an-tanimbary, afak’omaly tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany, tany Ankililoaka Toliara II. Raha ny loharanom-baovao, dia saika hovonoina mihitsy ity vehivavy iray niharan’ny herisetra ity ; izay tsy fantatra mazava ny anton’izao fikasana hamono izao, satria nalentik’ireo olon-dratsy tao anaty fotaka izy. Na dia tsentsin’ny fotaka aza ny vavany sy ny sofiny, dia mbola afaka niantsoantso vonjy ihany izy, ary nentin’ny olona nahita azy haingana namonjy tobim-pahasalamana avy hatrany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici