Nisehoana hala-jaza indray tany amin’ny Distrikan’i Toliara II, ny fiandohan’ny volana novambra ity, tao amin’ny Fokontany Betsioky Somotsy, Kaominina ambanivohitra Soahazo, ka zaza roa no lasan’ireo malaso mpangala-jaza tamin’izany. Rehefa nifanditra ara-bola tamin’ny vidin’ilay zaza ny dahalo roa, hoy ny loharanom-baovao, dia novonoin’ireo tsy mahataho-tody notapahan-doha tamin’ny fomba feno habibiana ny iray tamin’ireo zaza, ary nesorina ny voa masony roa, fa ny vatany sy ny fitafiny kosa hatramin’izao mbola tsy hita popoka mihitsy. Taorian’ny fahitana ny lohan-jaza sy noho io olana ara-bola nampiady dahalo roa io. Vetivety niely eraky ny tanàna ny vaovao, ka tovolahy iray no voasambotry ny Fokonolona ary niharan’ny hatezeram-bahoaka ity farany.
Dahalo iray saika matin’ny fitsaram-bahoaka. Soa ihany fa tonga ara-potoana ny Zandary, fa raha tsy izany dia matin’ny fitsaram-bahoaka teo ity voatondro ho mpangala-jaza. Taorian’ny fahatratrarana an’ity tovolahy ity no nanokatra fanadihadiana ny mpitandro filaminana any an-toerana nikaroka ireo nahavanon-doza, ka olona enina no voasambotra ary hofotorana lalina ankehitriny. Mbola misy olona roa hafa ihany koa, raha ny fanazavana azo hatrany, no karohina fatratra amin’izao, ka vehivavy ny iray. Etsy andaniny, mitaraina amin’ireo tomponandraikitra isan’ambaratongan’ny Ray aman-drenin’ireto zaza, indrindra fa ny fianakavian’ilay maty novonoina, mba tsy ho rava maina ny fanadihadiana. Ary mba ho fiarovana ny ain’ilay zaza velona, dia ataon’ny mpitandro filaminana andrimaso mafy fatratra ity ankizy lahy enina taona ity.
Eric Manitrisa