- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversToliara II : Zazalahy 12 taona nandeha lakana, tsy hita popoka natelin’ny...

Toliara II : Zazalahy 12 taona nandeha lakana, tsy hita popoka natelin’ny ranomasina

Ankizilahy iray manodidina ny 12 taona nandeha lakana niaraka tamin’ny zokiny no tsy hita popoka natelin’ny ranomasina hatramin’ny omaly tolakandro (ora nanoratana ny lahatsoratra) tany Sarodrano atsimon’ny tanànan’i Toliara. Raha araka ny vaovao voaray, dia afak’omaly misandratr’andro izy mirahalahy ireto no nandeha nanjono, ka teny ampovoan-dranomasina anefa nafefiky ny onja ny lakana nentin’izy ireo. Afaka nanavo-tena ilay zokiny ka avotra soa aman-tsara ary nanambara ny zava-nisy teo an-tanàna. Ilay zandriny dobo an-drano kosa na dia nokarohina dia mbola tsy hita, raha ny vaovao azo farany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici