Raha ny fanazavana azo, noho ny hasarotampiaron-dramatoa diso tafahoatra, ohatra tara fodiana rangahy vadiny, na misy tovovavy miantso ny findainy, sns, dia efa rafitra ny ady. Tao anatin’ny iray volana mahery kely nivadian’ireto tanora vao erotrerony ireto, dia efa in-telo notsondronin-dramatoa antsy ny vadiny, ary tsy nety nilamina mihitsy ny fiainan-tokantranon’ireto mpivady vao, tsongoim-bolo an-tanàna ireto izay monina ao amin’ny fokontany Andabizy Toliara.
Tamin’ny voalohany voa teo amin’ny sandriny ralehilahy. Teo amin’ny ilan-kibony havia nisolifatra ny antsy tamin’ny faharoa. Saika hanindrona antsy azy fanin-telony ramatoa vadiny ny alakamisy alina lasa teo, vokatry ny fifamaliana hatrany, satria nisy vehivavy niantso ny findain-drangahy. Mahina ity farany nahita an-dramatoa vadiny naka antsy tany an-dakozia, ka nidaroka avy hatrany. Naratra mafy ramatoa ary nibindana tarehy. Nanoloana io savorovoro mateti-pitranga io, saika rava mihitsy ny tokantranon’izy roa kely ireto ny zoma teo, raha tsy nalaky nalamin’ny fianakaviany roa tonta haingana.
Manitrisa