- Publicité -
jeudi, décembre 18, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Jiolahy 7 nandroba teratany Italianina voasambotry ny Polisy

Toliara : Jiolahy 7 nandroba teratany Italianina voasambotry ny Polisy

Nametraka fitoriana ny niharam-boina ka raikitra ny fikarohan’ny mpitandro filaminana an’ireo mpandroba. Voasambotry ny Polisy afak’omaly tao Toliara ireo fitolahy nandroba teratany Italianina, ny alin’ny zoma hifoha ny asabotsy teo, ka very tamin’izany ny vola vahiny 500 Euros sy 80 Dollars, niampy vola gasy, finday, firavaka volamena sy volafotsy, ary an-tontan-taratasy maromaro. Araka ny fanazavana azo dia teny an-dàlana hamonjy fodiana rehefa avy namonjy lanonana ity teratany vahiny ity sy ny vadiny, izay teratany Malagasy, no nosakanana mpitondra “cyclo-pousse” nitondra zava-maranitra toy ny antsy lava sy sabatra. Rehefa voaendaka izy mivady ireto dia nodarohan’ireo olon-dratsy ka naratra mafy. “Tsy ekena ny tsy maty manota, sady manenlingelina ny fifamoivoizana eto Toliara ireo mpitondra posy saika mitombo isa isanandro, no tsy manaja olona, ary manendaka sy mandroba, ka tsy maintsy ampiharina ny lalàna ho an’ireo izay manao ny tsy mety “, hoy ny “Commissaire central” hentitra.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici