Maty voatifitry ny polisy tao amin’ny fokontany Motombe Toliara, ny alarobia maraina teo tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany, i Herman (Dada), jiolahy mitam-basy monina ao Mahavatse, anisan’ny tompo-marika tamin’ny fandrobana sy famakiana ny « coffre » tao amin’ny oniversite Toliara, izay nahaverezana volabe amina miliara. Efa ela ity jiolahy ity no nokarohina, raha ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena. Raha ny vaovao voaray hatrany dia telo tamin’ireo jiolahy mitam-basy nandroba ny volan’ny Airtel Toliara no voasambotra ary efa any am-ponja amin’izao, raha mbola karohina kosa ireo namany nandrafitra ny « bandes de 5 » nampihorohoro tao an-drenivohitry ny faritra Atsimo Andrefana.
Manitrisa