Sendra ny nahay azy rehefa ela nanaovan-dratsy. Jiolahy iray no maty voafira famaky tany Toliara, omaly. Raha ny fanazavana azo, dia roalahy no nanafika tokantrano iray, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia teo, tokony ho tany amin’ny 2 ora naraina tany ho any. Teo am-pamakiana ny varavarana ireo jiolahy no taitra ny tompon-trano, ka nifoha tamin’ny torimasony, ary nandray fitaovam-piadiana avy hatrany ka niandry an’ireo mpandroba. Vantany vao niditra ny iray tamin’ireo jiolahy dia fira famaky teo amin’ny lohany sy tsindrona lefona teo amin’ny tratrany no niandry azy. Raha vao nahita izany ny naman’ ity mpamaky trano ity dia nitsoaka avy hatrany. Niezaka nitsoaka ihany koa ity jiolahy naratra mafy ary nitete teny an-dalana ny ràny, kanefa tsy lasa lavitra dia nitolefika nibadoka tamin’ny tany, ary tapitra ny ainy maty vokatry ny fahaverezan-drà, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa