Namoy ny ainy, rehefa sahy nihantsy mpitandro filaminana ity jiolahy rain-dahiny, mpanao fanafihana mitam-piadiana ity, omaly alahady tao Toliary.
Anisan’ny nampihorohoro ny tao an-drenivohitry ny faritra Atsimo Andrefana tao ny fikambanan-jiolahy iray fantatra amin’ny anarana hoe « 5 bandes ». Tompon’antoka tamin’ny fanafihana nitam-piadiana isan-karazany tao an-toerana izy io. Omaly, araka ny tatitra azo avy amin’ny pôlisy dia re fa nisy fanafihana nitranga tao amin’ny toerana antsoina hoe Samoty Lahy, kaominina Betsinjaky, distrikan’i Toliary II, tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany tany ho any. Teo no ho eo ihany dia nidina tany an-toerana ny Hery vonjy taitran’ny pôlisy, izay niomana ny amin’ny mety ho fifanandrinana. Efa fantatra mantsy araka ny angom-baovao fa mety ry zareo « 5 bandes » no tompon’antoka tamin’io. Tonga tany an-toerana, mbola tratra tao amin’ilay toerana voatafika ireo olon-dratsy. Niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana ireto pôlisy saingy raikitra ny fanoherana avy tamin’io olon-dratsy. Ny anankiray izay nitana basy vita gasy no sahy nitifitra avy hatrany, raha niezaka nitsoaka kosa ireo namany, hoy ny vaovao. Fahaiza-manao tsy mitovy anefa, lavon’ny bala tao anatin’izay ity olon-dratsy ity. Tafaporitsaka kosa ireo namany hafa. Mbola nitohy tany an-toerana hatamin’ny omaly hariva moa ny fifanenjehana sy ny fikarohana ireto jiolahy tafatsoaka ireto, raha ny vaovao azo hatrany. Nentina nihazo ny tranom-paty tany an-toerana kosa ny vatana mangatsiakan’ity olon-dratsy ity, miandry ny havany.
m.L