- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Jiolahy raindahiny maty voatifitry ny polisy

Toliara : Jiolahy raindahiny maty voatifitry ny polisy

Maty rotiky ny balan’ny polisy, afak’omaly hariva, tokony ho tamin’ny 5 ora, tao Aviro Maninday i Velo, jiolahy raindahiny sy ikoizana amin’ny fanafihana mitam-piadiana ao Toliara, nokarohana hatry ny ela. Nahazo vaovao marim-pototra tamin’ olon-tsotra tsara sitrapo ny mpitandro filaminana, ary teny am-pasana nandevina ny rainy maty ity jiolahy ity no nosamborina. Raha vao nahita ireo polisy ny jiolahy roa tonga dia namoaka basy, nefa ny an’ny mpitandro filaminana no tonga aloha. Bala efatra no niatefa teny amin’ny vantany. Maty tsy tra-drano teo no ho eo i Velo.

Nifanenjena tao am-pasana. Tafaporitsaka teny am-pasana kosa ny namany iray, izay jiolahy malaza ratsy ao Toliara, rehefa nifanenjehana, ka atao hazalambo amin’izao. Raha ny fanazavan’ny « Commissaire central » Rufin Lebiria, nitafa tamin’ny mpanao gazety, dia fanafihana mitam-basy maromaro narahina vono olona no efa vitan’ity jiolahy lavon’ny bala ity. Anisan’izany ny tao Ankilimarovahatra farany teo. «  Efa nigadra indroa i Velo noho ny resaka fanafihana mitam-basy hatrany, kanefa mamerin-keloka foana tsy mety fay. I Velo ihany koa no tompon’antoka tamin’ny fitifirana polisy roalahy tao amin’ny fokontany Mahavatse II ny 5 oktobra 2014 », hoy hatrany ity manam-boninahitra ambony ao amin’ny polisim-pirenena ity.

Eric Man

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser