- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Jiolahy telo voasambotra niaraka tamin’ny basy ody gasy

Toliara : Jiolahy telo voasambotra niaraka tamin’ny basy ody gasy

Voasambotry ny polisy tao Mahavatse II Toliara, omaly naraina tokony ho tamin’ny sivy ora, tamin’ny trano fiereny niaraka tamin’ny basilava iray sy bala enina entin’izy ireo manafika, ny telo tamin’ireo jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana malaza ao amin’ny « bandes de 4 ». Mbola karohina kosa amin’izao i Levelo lehiben’ireto jiolahy ireto, izay tafaporitsaka any Bezaha, hoy ny kaomisera Rufin Lebiria, nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly. Raha ny fanazavany dia efa ho iray volana no narahi-maso, taorian’ny fanafihana nahafaty tovolahy 18 taona tao Andaboly Toliara, ireto jiolahy ireto. Nanomboka ny volana aogositra no mankaty dia fanafihana mitam-basy telo no efa vitan’ireto jiolahy miravaka ody gasy ireto, hoy ity manamboninahitra ambonin’ny polisy ity.
Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser