- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Jiolahy tratra, notapahin’olona ny tongony sy ny sofiny

Toliara : Jiolahy tratra, notapahin’olona ny tongony sy ny sofiny

Mpandroba, mpanao sinto-mahery sy mpangalatra mpamaky trano gaigilahy iray, raha nitsoaka ny namany, no saika matin’ny fitsaram-bahoaka tany Toliara, ny herinandro teo, raha tsy nalaky tonga ny mpitandro filaminana. Malaza amin’ny asa ratsy i Rasta sy ny ekipany ary mpamerin-keloka hatrany ka tofoka aminy ireo ny vahoaka. Rehefa tra-tehaka avy nandroba olona tamin’ny alina izy dia niharan’ny fitsaram-bahoaka. Notapahin’olona tezitra ny sofiny havanana ka niala tarangana teo. Tsy vitan’izay fa nodidiana tamin’ny antsy ihany koa ny hoza-tongony havia mba tsy hahafahany mamindra intsony.

M.D. Efa any am-ponja  ity jiolahy ity amin’izao miandry ny fotoam-pitsarana azy. Efa any am-ponja ihany koa i Lejean sy Eddy namany izay jiolahy malaza ratsy amin’ny fandrobana sy vaky trano ary fangalarana « coffret ». Raha ny fampitam-baovaon’ny mpitandro filaminana dia anisan’ny tompon’antoka tamin’ny famakiana ny fitoeram-bolan’ny oniversiten’i Toliara i Lejean sy ny tariny, izay nahavery lelavola iray miliara ariary, ny alin’ny alarobia 23 oktobra 2013. Tsy vitan’izay, fa mbola voasaringotra amin’ny asa ratsy hafa ihany koa ny tenany, toy ny famakiana ny tranombarotra Promodim, hoy hatrany ny vaovao voaray.
Voalazan’ny mpitandro filaminana fa hatramin’ny nahatratrarana azy telolahy atidoha sy lehiben-jiolahy ireto, izay efa mifonja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Toliara ankehitriny, dia nangigina ny sinto-mahery sy ny fanendahana ary ny vaky trano ao Toliara. Mirongatra indray kosa anefa tato ho ato ny fanafihana mitam-basy, izay mampandry andriranantsy indray ny vahoaka tototry ny krizim-piainana.
Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser