- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversToliara – Kidnapping : Voasambotra i Anselme jiolahy mitam-basy ikoizana

Toliara – Kidnapping : Voasambotra i Anselme jiolahy mitam-basy ikoizana

JIOLAHYJiolahy raindahiny amin’ny fakana an-keriny sy mpanao fanafihana mitam-basy ikoizana ao  Toliara no voasambotry ny polisy, ny alatsinainy naraina teo, tamin’ny 8 ora, tany Morarano any amin’ny kaominina ambanivohitra Andranovory, 77 km avaratra atsinanan’i Toliara. Nandray anjara mivantana tamin’ny fakana an-keriny teratany karàna tao Toliara ka nahazo vola 35 tapitrisa ariary i Anselme, ny 17 febroary lasa teo. Nitsoaka izy rehefa voasambotra ireo namany sivy, izay any am-ponja amin’izao. Nahazo loharanom-baovao marim-pototra avy tamin’olon-tsotra tsara sitrapo ny mpitandro filaminana. Fantatra ny toerana niafenany ka nirosoana ny fisamborana azy. Niafina tao anaty alan-katsaka i Anselme ary nandositra raha vao nahita ny polisy. Nifanenjehana ary tratra tao anaty kirihitr’ala.
Tambajotra matanjaka. Niaiky ny heloka vitany ity jiolahy ity tamin’ny famotorana natao azy ary nanome vaovao ny mpitandro filaminana manampy amin’ny fikarohana ireo namany maromaro mbola any am-pandosirana karohina fatratra amin’izao. Efa nigadra noho ny fanafihana mitam-basy ity jiolahy voasambotra ity, kanefa isaky ny tafavoaka ny fonja dia manohy hatrany ny asa ratsiny. « Tambajotra matanjaka no misy an’i Anselme ka tsy maintsy ravana », hoy ny polisy, nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly antoandro. Natolotra ny fitsarana omaly ity « gangs » ity.
Eric Man

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser