Olona efatra tamin’ireo 24 voarohirohy noho ny kolikoly, no nampidirina am-ponja, raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny 20 ambiny. Io no nivohitra, ny herinandro teo, nandritra ny tatitra momba ny asa vitan’ny Bianco na ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly Toliara, enim-bolana voalohany tamin’ity taona ity. Raha ny fanazavana dia raharaha folo no natolotra ny fitsarana. Araka ny antontanisan’ny Bianco Toliara, fitarainana 149 no voaray, ka ny 88 amin’ireo no voasokajy ho misy kolikoly, raha ny 58 no azo anaovana fanadihadiana, ka ny 36 amin’ireo no efa vita hatramin’izao. Nanamarika ny avy ao amin’ny Bianco Toliara fa isan’ny mampitarazoka ny fanatanterahana ny asan’izy ireo, ny tsy fandriampahalemana misy manerana ny faritra iasan’ny sampana. Olana misy ihany koa ny fangatahana alàlana amin’ny mpiasam-panjakana sasany toy ny mpitsara, polisy, zandary… vao azo anaovana famotorana, ka anisan’ny mampitarazoka ny fanadihadiana momba ny fitarainana azo amin’izy ireny izany, hoy hatrany ny Bianco Toliara.
Manitrisa
Toliara – Kolikoly: Olona efatra nampidirina am-ponja
Articles qui pourraient vous intéresser