Nidoboka am-ponja vonjy maika (M.D) ao amin’ny fonjaben’i Toliara nanomboka ny zoma teo, rehefa avy nandalo teny amin’ny fitsarana taorian’ny fanadihadiana lalina tsy maintsy natao azy, tao amin’ny Bianco ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Raha ny loharanom-baovao marim-pototra, dia voarohirohy amin’ny resaka kolikoly sy fanodikondinam-bola ity Dren ity. Nahabe resaka tao Toliara efa ho roa taona ity raharaha ity ka izao vao nahitam-bokany, hoy hatrany ny loharanom-baovao, ka anisany nampikatso ny tontolon’ny fanabeazana tany an-toerana.
Navosotra, nimenomenona ny vahoaka. Naverina any am-ponja ihany koa i Renita, lehilahy 47 taona nahatratrarana vola sandoka 3 850 000 ariary mahery ( iray alina ariary avokoa) tao an-tranony tao Betania Scama ny harivan’ny alakamisy 28 aogositra lasa teo, tokony ho tamin’ny efatra ora, taorian’ny fisavana nataon’ny polisy. Rehefa natolotra ny fitsarana ny fiandohan’ny herinandro nivalona iny ity lehiben-jiolahy malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana sy voatonona matetika amin’ny asa ratsy isan-karazany ao Toliara sy ny manodidina ity ny anarany.Betsaka ny olona no nimenomenona tamin’ny famotsorana azy, ka izao izy M.D izao, raha ny fampitam-baovaon’ny polisy any an-toerana. Raha ny fanazavan’ny kaomisera Rufin, tamin’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny harivan’ny zoma 29 aogositra teo, dia mpibizina basy sy bala i Renita ankoatra ny maha mpanaparitaka vola sandoka azy.
Manitrisa