- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Lahiantitra tra-tehaka nanolana ny zafikeliny

Toliara : Lahiantitra tra-tehaka nanolana ny zafikeliny

Tsy hay izay nahazo an’ity rangahibe iray mananika ny 57 taona ity, na nentin’ny toaka nosotroiny nanonja mafy, na faniriana efa nikotrika hatry ny ela, fa ny zafikeliny izay vao 13 taona monja no naolany. Teo am-panaovana ny fikasan-dratsiny izy no tra-tehaka, ny zoma hariva teo, tany Toliara. Avy nandro saika hisolo ankajo ity zazavavy ity no notolomin-draibeny. Ny kiakian’io ankizivavy io no nanaitra ny manodidina. Tezitra ny rain’ilay tovovavy raha nandre iny vaovao, ka nidaroka an’ingahibe. Raha nisy kely, mety nanaraka hatramin’ny ain-dehibe, hoy ny vaovao voaray. Rehefa nofotorana lalina ity zazavavy ity, dia nilaza efa in-droa izy no saika naolan’ ny raibeny.
Raha ny vaovao azo hatrany, tamin’ny voalohany ity ajampela ity notambazan’ny dadabeny dimy arivo ariary, kanefa tsy nety nanaiky ny filan-dratsiny. Marihina fa napetraka tany amin’ny raibeny ireto zafiny telo tsy afa-nianatra intsony, noho ny toerana misy azy ireo mbola dibo-drano, ary isaky ny alina ireo ray aman-dreniny vao mody any, rehefa avy mivarotra. Matetika amin’ny tranga toy itony amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy iny, dia vitavita foana amin’ny raharaham-pihavanana (kabary ambany kily !) ny fihetsika mamoafady toy itony. Vitsy ny sahy mitory/mitorika noho ny fomban-tany !

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser